<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>47</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ianao 'zay mitady ny fiadanan-tsoa
 Amin'izao fiainana izao
 Ka mandeha mankatsy, ary sy aroa
 Mikorana ary koa milalao
 Kanefa tsy mahita izay mahasoa
 Fa vizana foana ny nofo
 Inty misy Fiainana atoroko anao
 Andramo dia hohitanao

[C1]
   Jesosy, Jesosy,
   (Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
   No Fiainana atoroko Anao (Jeso)
   Jesosy, Jesosy,
   (Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
   No hany hampiadana anao
   Koa raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy
   Hanapaka ny fiainanao
   Dia hohitanao'Lay Fiadanana
   Haharitra ho mandrakizay

[V2]
 Ianao ianjadiam-pahoria-marobe
 Amin'izao fiainana izao
 Tsy misy hazavana fo toa haizim-be
 No mandrakotra ny fiainanao
 Ka mila ho kivy sy hamoy fo
 Noho 'reo adim-piainana maro
 Inty misy fiainana atoroko anao
 Andramo dia hohitanao
 Jesosy, Jesosy, sns...</lyrics>
<title>Fiadanana FF47</title>
</song>